| Tsy mifanaraka amin'ny tolona natao izao zava-misy eto Matsiatra Ambony izao |
|
|
|
| Actualité Politique - Communiqué |
|
Noraisiko ny fanapahan-kevitra teo amin’ny fametrahako fialana ny tsy ho isan’ny mpanolontsain’ny lehiben’ny faritra Matsiatra Ambony noho ny antony maromaro eo amin’ny endriky ny fiaraha-miasa, ka tsy mety intsony amin’ny feon’ny fieritreretako indrindra amin’ny maha mpitolona ahy izay mba nanana fijery lavitra tokoa nentina nidirana tao anatin’ny fahefana mba hanana vokatra tsara azo tarafina manoloana ny tolona natao’ny vahoakan’ny Mahatsiatra Ambony.
Manoloana ireo rehetra ireo dia tsy hamorona adihevitra intsony ny tenako manoloana izay fametrahako fialana izay fa mamintina ny tiako hambara ireo voalazako etsy ambony ireo. Hamehezana azy dia, izaho RASOLONIRAINY HARITIANA dia tsy promesse vokatry ny tolona nataoko no niheverako ny toerana nomena ahy fa tena andraikitra vokatry ny fanovam-pijery nitaritana ny vahoaka handrava ny fitondran-dRavalomanana.
Marihiko etoana fa tsy manana olana ara-piarahamonina amin’ny lehiben’ny faritra ny tenako fa ny fomba fiaraha-miasa angamba no mety tsy hitovizana dia mirary ny ekipa rehetra hahatody ny fampandrosoana ny faritra fa ny tenako kosa hanohy izany fifanampiana izany amin’ny fomba hampandrosoana ny faritra na dia tsy ao anatiny intsony aza.
Noraisiko izao fanapahan-kevitra izao rehefa nandinika sy namakafaka lalina ny tenako ho fitandroako ny hasin’ny tolona izay tsy nanenenako ny nanao izany noho ny tombotsoan’ny vahoaka manontolo.
Eto am-pamaranana dia ambarako ampahibemaso izany fa tsy isan’ny mpanolontsain’ny lehiben’ny faritra intsony ny tenako manomboka anio 11 aprily 2012. RASOLONIRAINY HARITIANA TSY MIVA-DIBELIRANO
Dernières infos
|
| Mise à jour le Samedi, 14 Avril 2012 09:09 |






"Tsy mifanaraka amin'ny tolona natao izao zava-misy eto Matsiatra Ambony izao ka dia mametra-pialana tsy ho mpanolotsainan'ny lehiben'ny faritra aho". Haritiana Rasolo.
